Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 10:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.

9. Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.

10. Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.

11. Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?

12. Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.

13. Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.

14. Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?

15. Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.

16. Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!

17. Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!

18. Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 10