Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mika 7:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.

4. Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao.

5. Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.

6. Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.

7. Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.

8. Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.

9. Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

10. Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.

11. He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.

12. Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.

Vakio ny toko manontolo Mika 7