Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mika 5:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.

7. Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.

8. Aoka haingaina amin'ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.

9. Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,

10. Hofoanako ny tanàna amin'ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;

11. Hofoanako tsy hisy amin'ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.

12. Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan'ny asan'ny tananao intsony ianao.

13. Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.

14. Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.

Vakio ny toko manontolo Mika 5