Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mika 4:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary ianao, ry tilikambon'ny andiany. Tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan' i Jerosalema zanakavavy.

9. Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

10. Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.

11. Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.

12. Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.

13. Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.

Vakio ny toko manontolo Mika 4