Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mika 3:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:

6. Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,

7. Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.

8. Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.

9. Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,

Vakio ny toko manontolo Mika 3