Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Malakia 3:12-18 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

13. Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?

14. Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro.

15. Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.

16. Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.

17. Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.

18. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Tsarovinareo ny lelan'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana.

Vakio ny toko manontolo Malakia 3