Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 9:11-20 Malagasy Bible (MG1865)

11. ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.

12. Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.

13. Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.

14. Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.

15. Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.

16. Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.

17. Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.

18. Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.

19. Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,

20. dia napetrany teo ambonin'ny tratran'ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany;

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 9