Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 6:9-23 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.

10. Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.

11. Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany.

12. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

13. Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

14. Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

15. Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;

16. fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.

17. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

18. Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany.

19. ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.

20. Ho masina izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan'ny ràny, dia hosasanao eo amin'izay fitoerana masina izay ipitihany.

21. Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.

22. Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany.

23. Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 6