Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 5:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

15. Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana.

16. Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.

17. Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,

18. dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;

19. dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona, satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 5