Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 4:33-35 Malagasy Bible (MG1865)

33. ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana.

34. Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.

35. Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 4