Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 3:9-17 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy

10. ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.

11. Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.

12. Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.

13. Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

14. Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy

15. ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.

16. Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.

17. Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 3