Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 27:6-13 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary raha hatramin'ny iray volana ka hatramin'ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban'ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban'ny zazavavy.

7. Ary raha hatramin'ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin'ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.

8. Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan'ilay nivoady no hanombanan'ny mpisorona azy.

9. Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an'i Jehovah, dia ho masina ho an'i Jehovah izay rehetra omena amin'izany.

10. Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony.

11. Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an'i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy;

12. ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy.

13. Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 27