Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 26:38-46 Malagasy Bible (MG1865)

38. Any dia ho lany ringana any amin'ny jentilisa ianareo, any ho lanin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo.

39. Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin'ny tanin'ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.

40. Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin'ny nanoherany Ahy,

41. ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry amin'izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin'ny helony izy,

42. dia hotsarovako ny fanekeko tamin'i Jakoba sy ny fanekeko tamin'Isaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.

43. Ary ny tany hilaozan'ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan'ny fanahiny ny didiko.

44. Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

45. Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.

46. lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 26