Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 25:52-55 Malagasy Bible (MG1865)

52. Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.

53. Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.

54. Ary raha tsy voavotra amin'izay izy, dia ho afaka amin'ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.

55. Fa mpanompoko ny Zanak'Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 25