Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 23:18-28 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

19. Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.

20. Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona.

21. Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.

22. Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

23. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

24. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.

25. Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

26. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

27. Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

28. Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 23