Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 22:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:

2. Mitenena amin'i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho no Jehovah.

3. Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin'ny zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.

4. Na iza na iza amin'ny taranak'i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan'ny azy,

5. na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,

6. ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro ka tsy hihinana amin'ny zava-masina, raha tsy mandro amin'ny rano.

7. Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin'ny zava-masina, satria fihinany izany.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 22