Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 21:10-23 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.

11. Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza.

12. Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.

13. Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.

14. Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.

15. Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

16. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

17. Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny;

18. Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,

19. na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,

20. na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.

21. Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.

22. Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;

23. kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 21