toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 2 Malagasy Bible (MG1865)

Ny fanatitra hohanina

1. Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.

2. Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.

3. Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.

4. Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.

5. Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.

6. Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.

7. Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.

8. Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.

9. Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.

10. Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.

11. Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;

12. fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.

13. Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.

14. Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.

15. Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.

16. Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.