Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 18:2-20 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:

3. Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.

4. Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

5. Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.

6. Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah.

7. Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.

8. Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.

9. Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.

10. Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa.

11. Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.

12. Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.

13. Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.

14. Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.

15. Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.

16. Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.

17. Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.

18. Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.

19. Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.

20. Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 18