Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 18:19-30 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.

20. Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.

21. Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.

22. Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.

23. Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.

24. Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.

25. Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.

26. Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo

27. (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),

28. mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.

29. Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

30. Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 18