Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 18:14-26 Malagasy Bible (MG1865)

14. Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.

15. Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.

16. Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.

17. Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.

18. Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.

19. Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.

20. Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.

21. Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.

22. Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.

23. Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.

24. Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.

25. Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.

26. Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 18