Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 15:14-21 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin'ny mpisorona izy.

15. Dia haterin'ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.

16. Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro;

17. ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany.

18. Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

19. Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

20. Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.

21. Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 15