1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
3. Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
4. Maloto ny fandriana rehetra izay andrian'ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
5. Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
6. Ary izay mipetraka amin'ny zavatra izay efa nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
7. Ary izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
8. Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro
9. Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan'ny marary mitsika.
10. Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
11. Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
12. Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.