toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 1 Malagasy Bible (MG1865)

Ny fanatitra odorana

1. Ary Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe:

2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.

3. Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.

4. Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.

5. Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;

6. ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.

7. Ary ireo zanak'i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo amin'ny afo.

8. Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;

9. fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

10. Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.

11. Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

12. Dia horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;

13. fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

14. Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.

15. Ary haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ràny;

16. ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona;

17. ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.