Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 9:20-27 Malagasy Bible (MG1865)

20. Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.

21. Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.

22. Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?

23. Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo.

24. Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;

25. koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.

26. Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.

27. Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.

Vakio ny toko manontolo Josoa 9