Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 20:6-9 Malagasy Bible (MG1865)

6. Dia hitoetra ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.

7. Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda.

8. Ary dia nifidy an'i Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko.

9. Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.

Vakio ny toko manontolo Josoa 20