Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 2:3-15 Malagasy Bible (MG1865)

3. Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.

4. Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;

5. ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.

6. Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.

7. Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.

8. Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy

9. ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.

10. Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.

11. Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany.

12. Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho

13. fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.

14. Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.

15. Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny tanàna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany.

Vakio ny toko manontolo Josoa 2