Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 19:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda.

2. Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada

3. sy Hazara-soala sy Bala sy Azema

4. sy Eltolada sy Betola sy Horma

5. sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa

6. sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;

7. sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;

8. ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony.

9. Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.

10. Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida,

11. dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama,

12. dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,

Vakio ny toko manontolo Josoa 19