Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 15:47-63 Malagasy Bible (MG1865)

47. Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.

48. Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko

49. sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)

50. sy Anaba sy Estemo sy Anima

51. sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;

52. Araba sy Doma sy Esana

53. sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka

54. sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;

55. Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota

56. sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa

57. sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;

58. sy Halola sy Beti-zora sy Gedora

59. sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;

60. sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.

61. Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka

62. sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.

63. Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.

Vakio ny toko manontolo Josoa 15