31. sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
32. sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
33. Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
34. sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
35. sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
36. sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
37. ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
38. sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
39. sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
40. sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
41. sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
42. Libna sy Atera sy Asana
43. sy Jifta sy Asna ary Neziba
44. sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
45. Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
46. hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo,
47. Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.