Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 15:18-33 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?

19. Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.

20. Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony:

21. Ny tanàna farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora

22. sy Kina sy Dimona sy Adada

23. sy Kadesy sy Hazora sy Itnana

24. sy Zifa sy Talema sy Bealota

25. sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),

26. sy Amama sy Sema sy Molada

27. sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta

28. sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia

29. sy Bala sy Ie sy Azema

30. sy Eltolada sy Kesila sy Horma

31. sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana

32. sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.

33. Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna

Vakio ny toko manontolo Josoa 15