Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 15:11-16 Malagasy Bible (MG1865)

11. dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina.

12. Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.

13. Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany).

14. Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.

15. Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).

16. Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.

Vakio ny toko manontolo Josoa 15