Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 14:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;

2. tamin'ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny firenena sivy sy sasany.

3. Fa efa nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.

4. Fa firenena roa ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany.

5. Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.

6. Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.

Vakio ny toko manontolo Josoa 14