Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 1:9-11 Malagasy Bible (MG1865)

9. Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.

10. Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:

11. Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.

Vakio ny toko manontolo Josoa 1