Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 1:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.

4. Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.

5. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.

6. Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.

7. Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao.

8. Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.

Vakio ny toko manontolo Josoa 1