Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joela 3:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;

2. Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany.

3. Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy etỳ amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina.

Vakio ny toko manontolo Joela 3