Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joela 2:19-27 Malagasy Bible (MG1865)

19. Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.

20. Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.

21. Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.

22. Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.

23. Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.

24. Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.

25. Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.

26. Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.

27. Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.

Vakio ny toko manontolo Joela 2