Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 8:2-15 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?

3. Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?

4. Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.

5. Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.

6. Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,

7. Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.

8. Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany

9. (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);

10. Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?

11. Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?

12. Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.

13. Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,

14. Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.

15. Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.

Vakio ny toko manontolo Joba 8