Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 7:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.

7. Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.

8. Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.

9. Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;

10. Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

11. Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.

12. Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?

13. Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.

14. Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;

15. Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;

16. Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.

Vakio ny toko manontolo Joba 7