Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 7:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?

2. Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,

3. Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.

4. Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.

5. Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.

6. Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.

7. Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.

Vakio ny toko manontolo Joba 7