Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 6:9-19 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,

10. Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.

11. Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho?

12. Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?

13. Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?

14. Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.

15. Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,

16. Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;

17. Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;

18. Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.

19. Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;

Vakio ny toko manontolo Joba 6