Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 6:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2. Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!

3. Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.

4. Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.

5. Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?

6. Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody?

Vakio ny toko manontolo Joba 6