Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 41:20-25 Malagasy Bible (MG1865)

20. Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.

21. Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.

22. Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.

23. Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.

24. Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.

25. Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.

Vakio ny toko manontolo Joba 41