Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 40:15-23 Malagasy Bible (MG1865)

15. He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.

16. Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.

17. Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny

18. Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.

19. Voalohany amin'ny asan'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.

20. Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;

21. Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.

22. Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy

23. Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.

Vakio ny toko manontolo Joba 40