Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 4:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;

11. Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.

12. Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,

13. Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,

14. Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.

15. Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.

16. Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:

17. Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?

18. Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.

19. Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;

20. Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.

Vakio ny toko manontolo Joba 4