Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 39:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.

5. Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,

6. Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?

7. Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;

8. Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.

9. Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?

10. Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?

Vakio ny toko manontolo Joba 39