Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 39:17-25 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.

18. Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

19. Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?

20. Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!

21. Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.

22. Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.

23. Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.

24. Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.

25. Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.

Vakio ny toko manontolo Joba 39