Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 39:14-29 Malagasy Bible (MG1865)

14. Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,

15. Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.

16. Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;

17. Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.

18. Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

19. Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?

20. Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!

21. Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.

22. Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.

23. Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.

24. Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.

25. Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.

26. Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?

27. Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?

28. Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.

29. Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.

Vakio ny toko manontolo Joba 39