Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 39:11-22 Malagasy Bible (MG1865)

11. Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?

12. Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?

13. Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?

14. Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,

15. Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.

16. Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;

17. Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.

18. Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

19. Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?

20. Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!

21. Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.

22. Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.

Vakio ny toko manontolo Joba 39