Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 39:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?

2. Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?

3. Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.

4. Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.

5. Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,

6. Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?

7. Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;

8. Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.

9. Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?

10. Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?

11. Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?

12. Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?

13. Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?

14. Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,

15. Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.

Vakio ny toko manontolo Joba 39